# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina. # andidiako anareo androany ... hiampita an'i Jordana ianareo Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe vondrona, noho izany dia "ianareo" no ampiasaina. # andidiako Mosesy no miteny eto. Ireo loholona dia manao fifanarahana amin'i Mosesy any, fa izy irery no miteny. # handalotra ireo amin'ny sokay Ny sokay matetika dia fifangaroan'ny vovoka hazo, fasika, rano izay aparitaka amin'ny zavatra. Mihamaina izany mba ho lasa faritra mafy, malefaka izay afaka hanoratan'ny olona. DH: "hanaparitaka sokay eo amin'ireo" na "hanamboatra ireo mba hahafahanareo manoratra eo amin'izany" # tany tondra-dronono sy tantely Fomba fiteny ity. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 6:3. DH: "tany izay feno ronono sy tantely mikoriana" na "tany izay tena tsara ho an'ny biby fiompy sy ny fambolena"