plt_tn/deu/19/17.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.

izay misy tsy fiombonan-kevitra

"ireo izay tsy mitovy hevitra amin'izy samy izy"

tsy maintsy mijoro eo anatrehan'i Yaveh, eo anatrehan'ireo mpisorona sy mpitsara

Izany dia midika fa ireo olona roa dia tsy maintsy mankany amin'ilay fitoerana masina izay misy ny fanatrehan'i Yaveh. Any amin'ny fitoerana masina ireo mpisorona sy mpitsara izay manana ny fahefana handray fanapahan-kevitra ara-dalàna ho an'i Yaveh.

mijoro eo anatrehan'i Yaveh, eo anatrehan'ireo mpisorona sy mpitsara

Eto ny hoe "mijoro eo anatrehana" dia fomba fiteny. Izany dia midika hoe mankany amin'ny olona manana fahefana ary mamela azy handray fanapahan-kevitra ara-dalàna momban'ny zava-misy iray.

Ireo mpitsara dia tokony hanao fanadihadiana lalina

"Ireo mpitsara dia tokony hiasa mafy mba hahafantarana izay nitranga"

dia ataovy aminy izay niriany hatao amin'ny rahalahiny

"dia sazio amin'ny fomba niriany hanasazianao ilay olona hafa ilay vavolombelona tsy marina"

hanala ny ratsy eo aminareo ianareo

DH: "amin'ny fanasaziana ilay vavolombelona tsy marina, dia hanajanona izany fanaovan-dratsy izany eo amin'ny firenenareo ianareo"