plt_tn/deu/19/17.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
# izay misy tsy fiombonan-kevitra
"ireo izay tsy mitovy hevitra amin'izy samy izy"
# tsy maintsy mijoro eo anatrehan'i Yaveh, eo anatrehan'ireo mpisorona sy mpitsara
Izany dia midika fa ireo olona roa dia tsy maintsy mankany amin'ilay fitoerana masina izay misy ny fanatrehan'i Yaveh. Any amin'ny fitoerana masina ireo mpisorona sy mpitsara izay manana ny fahefana handray fanapahan-kevitra ara-dalàna ho an'i Yaveh.
# mijoro eo anatrehan'i Yaveh, eo anatrehan'ireo mpisorona sy mpitsara
Eto ny hoe "mijoro eo anatrehana" dia fomba fiteny. Izany dia midika hoe mankany amin'ny olona manana fahefana ary mamela azy handray fanapahan-kevitra ara-dalàna momban'ny zava-misy iray.
# Ireo mpitsara dia tokony hanao fanadihadiana lalina
"Ireo mpitsara dia tokony hiasa mafy mba hahafantarana izay nitranga"
# dia ataovy aminy izay niriany hatao amin'ny rahalahiny
"dia sazio amin'ny fomba niriany hanasazianao ilay olona hafa ilay vavolombelona tsy marina"
# hanala ny ratsy eo aminareo ianareo
DH: "amin'ny fanasaziana ilay vavolombelona tsy marina, dia hanajanona izany fanaovan-dratsy izany eo amin'ny firenenareo ianareo"