plt_tn/deu/19/06.md

935 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely.

mpamaly rà

Eto ny hoe "rà" dia maneho ilay olona izay maty. Ny "mpamaly rà" dia havana akaikin'ilay olona maty. Io havana io no tompon'andraikitra amin'ny fanasaziana ilay mpamono olona.

ilay iray izay hanala ny aina

Fomba fiteny ity. DH: "ilay iray izay namono an'ilay olona hafa"

ny firehetan-katezerany

Ny olona iray izay tezitra mafy dia resahina toy ny hoe zavatra izay mety ho mafana ny hatezerana. DH: "ary tezitra mafy"

kapohy izy ary vonoy izy

"Ary ny mpamaly rà dia mikapoka sy mamono ilay iray izay namono an'ilay olona hafa"

na dia tsy mendrika ny ho faty aza izany lehilahy izany, satria tsy nankahala ny mpiara-belona aminy izy tany aloha

"na dia tsy mendrika ny ho faty aza izany lehilahy izany satria namono tsinahy an'ilay olona hafa izy fa tsy ny fahavalony, ary tsy nikasa ny handratra ilay lehilahy"