plt_tn/deu/12/08.md

830 B

Aoka tsy hanao ireo zavatra rehetra izay ataonay ankehitriny ianao

"Tsy hanao tahaka izay ataonay ankehitriny ianao." Izany dia midika fa hanompo any amin'ilay tany nampanantenaina izy ireo fa tsy tahaka ny fomba nanompoan'izy ireo tamin'izany fotoana izany.

ankehitriny dia manao izay marina rehetra eo imasony ihany ny olon-drehetra

Eto ny hoe "maso" dia maneho ny eritreritra na hevitry ny olona iray. DH: "ny olona rehetra dia manao izay heveriny ho marina"

teo amin'ny fitsaharana

DH: "any amin'ilay tany izay hitsaharanao"

eo amin'ny lova izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao

Ny tany izay omen'Andriamanitra an'ireo vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe fananana izay avelan'ny ray ho lova ho an'ny zanany. DH: "any amin'ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho anao mba ho fananana maharitra"