plt_tn/deu/12/08.md

16 lines
830 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Aoka tsy hanao ireo zavatra rehetra izay ataonay ankehitriny ianao
"Tsy hanao tahaka izay ataonay ankehitriny ianao." Izany dia midika fa hanompo any amin'ilay tany nampanantenaina izy ireo fa tsy tahaka ny fomba nanompoan'izy ireo tamin'izany fotoana izany.
# ankehitriny dia manao izay marina rehetra eo imasony ihany ny olon-drehetra
Eto ny hoe "maso" dia maneho ny eritreritra na hevitry ny olona iray. DH: "ny olona rehetra dia manao izay heveriny ho marina"
# teo amin'ny fitsaharana
DH: "any amin'ilay tany izay hitsaharanao"
# eo amin'ny lova izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao
Ny tany izay omen'Andriamanitra an'ireo vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe fananana izay avelan'ny ray ho lova ho an'ny zanany. DH: "any amin'ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho anao mba ho fananana maharitra"