plt_tn/deu/11/13.md

1006 B

Izany dia hitranga, raha

Izany dia midika fa ireo izay nampanantenain'i Yaveh dia hitranga raha mankato ireo didiny ny Israelita.

izay handidiako

Mosesy eto no miteny.

amin'ny fonareo sy ny fanahinareo manontolo

Ny fomba fiteny hoe "amin'ny foao manontolo" dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao tanteraka." Manana dika mitovy ireo. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 4:29. DH: "amin'ny maha-izy anao tanteraka" na "amin'ny tanjakao rehetra"

mba hanomezako ranon'orana amin'ny taninareo amin'ny vanim-potoany

"hahatonga izany hanorana amin'ny taninareo amin'ny vanim-potoany Aho"

mba hanomezako

Yaveh eto no miteny. DH: "mba hanomezan'i Yaveh" na "mba hanomezany"

ny voaloha-orana sy ny fara-orana

Ity dia maneho ny orana amin'ny fiantombohan'ny vanin'andro famafazana sy ny orana mampatoy ny vokatra amin'ny fotoam-pijinjana. DH: "ny oram-pararano sy ny oran-dohataona" na "ny orana amin'ny vanim-potoany"