# Izany dia hitranga, raha Izany dia midika fa ireo izay nampanantenain'i Yaveh dia hitranga raha mankato ireo didiny ny Israelita. # izay handidiako Mosesy eto no miteny. # amin'ny fonareo sy ny fanahinareo manontolo Ny fomba fiteny hoe "amin'ny foao manontolo" dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao tanteraka." Manana dika mitovy ireo. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 4:29. DH: "amin'ny maha-izy anao tanteraka" na "amin'ny tanjakao rehetra" # mba hanomezako ranon'orana amin'ny taninareo amin'ny vanim-potoany "hahatonga izany hanorana amin'ny taninareo amin'ny vanim-potoany Aho" # mba hanomezako Yaveh eto no miteny. DH: "mba hanomezan'i Yaveh" na "mba hanomezany" # ny voaloha-orana sy ny fara-orana Ity dia maneho ny orana amin'ny fiantombohan'ny vanin'andro famafazana sy ny orana mampatoy ny vokatra amin'ny fotoam-pijinjana. DH: "ny oram-pararano sy ny oran-dohataona" na "ny orana amin'ny vanim-potoany"