plt_tn/deu/08/15.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.

izay nitarika anao ... amin'ny farany

Mosesy dia manohy mampatsiahy ireo Israelita ny amin'izay fantatr'izy ireo momban'i Yaveh (8:13).

izay nitarika ... izay namoaka ... Namoky

"Yaveh, izay nitarika ... Yaveh, izay namoaka ... Yaveh dia namoky"

menarana misy poizina

"bibilava misy poizina"

tany ngazana

Ity dia mamaritra ny tany ho mangetaheta toy ny olona mangetaheta rehefa mila rano. DH: "tany maina"

mba hanasoa anao

"mba hanampy anao" na "satria hahatsara anao izany"

fa ianao mety hiteny ao am-ponao

Ity ny zavatra fahatelo mety ataon'ny olona rehefa "lasa mirehareha" ny fon'izy ireo ary "manadino an'i Yaveh" (8:13). Eto ny hoe "fo" dia sarinteny hilazana ny eritreritry ny olona iray ao anaty. DH: "fa ianao mety hieritreritra amin'ny tenanao"

Ny heriko sy ny herin'ny tanako no nahazoako ireto harena rehetra ireto

Eto ny hoe "tanana" dia maneho ny hery na fahaizan'ny olona iray. DH: "Nahazo ity harena ity aho satria matanjaka sy mahery" na "nahazo ireto zavatra rehetra ireto tamin'ny heriko sy ny fahaizako manokana aho"