plt_tn/deu/07/07.md

910 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely.

Tsy nametraka ny fitiavany teo aminareo

Fomba fiteny ity. DH: "tsy nitia anareo mihoatra noho ny nitiavany ny hafa"

tamin'ny tanana mahery

Eto ny hoe "tanana mahery" dia maneho ny fahefan'i Yaveh. DH: "tamin'ny fahefany lehibe." Ireo teny ireo dia hita ao amin'ny 4:34 koa.

nanafaka anareo tao amin'ny trano fanandevozana

Mosesy dia miresaka an'i Yaveh manavotra ny vahoakan'Israely tsy ho andevo toy ny hoe nandoa vola tamin'ny tompon'andevo i Yaveh. DH: "nanavotra anareo tsy ho andevo"

trano fanandevozana

Eto ny hoe "trano fanandevozana" dia maneho an'i Egypta, ilay toerana izay nanandevozana an'Israely. DH: "hivoaka ilay toerana izay nanandevozana anareo." Adikao toy ny tao amin'ny 6:10 ity.

tanan'i Farao

Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe "fanapahana." DH: "fanapahan'i Farao"