plt_tn/deu/07/07.md

24 lines
910 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely.
# Tsy nametraka ny fitiavany teo aminareo
Fomba fiteny ity. DH: "tsy nitia anareo mihoatra noho ny nitiavany ny hafa"
# tamin'ny tanana mahery
Eto ny hoe "tanana mahery" dia maneho ny fahefan'i Yaveh. DH: "tamin'ny fahefany lehibe." Ireo teny ireo dia hita ao amin'ny 4:34 koa.
# nanafaka anareo tao amin'ny trano fanandevozana
Mosesy dia miresaka an'i Yaveh manavotra ny vahoakan'Israely tsy ho andevo toy ny hoe nandoa vola tamin'ny tompon'andevo i Yaveh. DH: "nanavotra anareo tsy ho andevo"
# trano fanandevozana
Eto ny hoe "trano fanandevozana" dia maneho an'i Egypta, ilay toerana izay nanandevozana an'Israely. DH: "hivoaka ilay toerana izay nanandevozana anareo." Adikao toy ny tao amin'ny 6:10 ity.
# tanan'i Farao
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe "fanapahana." DH: "fanapahan'i Farao"