plt_tn/dan/12/05.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Nandeha i Daniela mba hiteny izay hitany manaraka tamin'ny fahitany izay nanomboka tao amin'ny 10:1.
# nisy roa hafa nitsangana
"nisy anjely roa hafa nitsangana"
# lehilahy miakanjo rongony fotsy
Izany dia ilazana ny anjely izay niseho tamin'i Daniela ao amin'ny 10:4, fa tsy iray tamin'ireo anjely nitsangana nanamorona ny ony.
# teo ambonin'ny ony
Mety ho dikany ny hoe 1) ilay anjely niakanjo rongony fotsy dia teo ambonin'ny ony na 2) ilay anjely dia lavitry ny fiambonian'ny ony.
# Mandra-pahoviana no hiafaran'ireto zava-mahagaga ireto?
"Mandra-pahoviana ny faran'ireny zava-mahagaga ireny?" Ilazana ny fotoana hatramin'ny fiandohana ka hatramin'ny fiafaran'ny zava-mitranga izany.
# ireto zava-mahagaga ireto
Tamin'ny fotoana niresahan'ny anjely tamin'i Daniela, dia tsy nisy tamin'ireo zava-nitranga tao amin'ny fahitana niseho. Ilazana ny zava-mitranga ao amin'ny 12:1 mihitsy izany, ary mety ho tafiditra ao ihany koa ny zava-mitranga tamin'ny fahitana avy ao amin'ny toko faha11.