# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nandeha i Daniela mba hiteny izay hitany manaraka tamin'ny fahitany izay nanomboka tao amin'ny 10:1. # nisy roa hafa nitsangana "nisy anjely roa hafa nitsangana" # lehilahy miakanjo rongony fotsy Izany dia ilazana ny anjely izay niseho tamin'i Daniela ao amin'ny 10:4, fa tsy iray tamin'ireo anjely nitsangana nanamorona ny ony. # teo ambonin'ny ony Mety ho dikany ny hoe 1) ilay anjely niakanjo rongony fotsy dia teo ambonin'ny ony na 2) ilay anjely dia lavitry ny fiambonian'ny ony. # Mandra-pahoviana no hiafaran'ireto zava-mahagaga ireto? "Mandra-pahoviana ny faran'ireny zava-mahagaga ireny?" Ilazana ny fotoana hatramin'ny fiandohana ka hatramin'ny fiafaran'ny zava-mitranga izany. # ireto zava-mahagaga ireto Tamin'ny fotoana niresahan'ny anjely tamin'i Daniela, dia tsy nisy tamin'ireo zava-nitranga tao amin'ny fahitana niseho. Ilazana ny zava-mitranga ao amin'ny 12:1 mihitsy izany, ary mety ho tafiditra ao ihany koa ny zava-mitranga tamin'ny fahitana avy ao amin'ny toko faha11.