plt_tn/dan/11/44.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ity dia mbola momban'ny mpanjakan'ny Avaratra.
# handeha hivoaka amin'ny fahavinirana lehibe izy
Ny anarana "fahavinirana" dia afaka ambara amin'ny teny hoe "tezitra". Afaka ambara mazava izany hoe handeha hivoaka miaraka amin'ny tafiny izy. DH: "ho tezitra mafy izy ary hivoaka miaraka amin'ny tafiny" na "ho lasa tezitra mafy izy ary hivoaka miaraka amin'ny tafiny"
# handeha hivoaka
Eto dia maneho ny fihetsiky ny fanafihana ny fahavalo izany.
# hanokana ny maro ho ringanina
"mba hanimba olona maro"
# ny lain'ny fonenan'ny mpanjakany
Ilazana ny lay mihajan'ny mpanjaka izany izay nonenany tamin'izy niaraka tamin'ny tafika tamin'ny fotoan'ny ady.
# anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitry ny fahatsaran'ny fahamasinana
Ilazana ny faritra anelanelan'ny Ranomasina Mediteranea sy ny Tendrombohitry ny Tempoly any Jerosalema angamba izany.
# ny tendrombohitry ny fahatsaran'ny fahamasinana
Ilazana ny tendrombohitra any Jerosalema izay nisy ny tempolin'Andriamanitra izany. Jereo hoe ahoana no nandikanao ny zavatra tahaka izany ao amin'ny 9:15 sy 9:20.