plt_tn/dan/11/44.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ity dia mbola momban'ny mpanjakan'ny Avaratra.

handeha hivoaka amin'ny fahavinirana lehibe izy

Ny anarana "fahavinirana" dia afaka ambara amin'ny teny hoe "tezitra". Afaka ambara mazava izany hoe handeha hivoaka miaraka amin'ny tafiny izy. DH: "ho tezitra mafy izy ary hivoaka miaraka amin'ny tafiny" na "ho lasa tezitra mafy izy ary hivoaka miaraka amin'ny tafiny"

handeha hivoaka

Eto dia maneho ny fihetsiky ny fanafihana ny fahavalo izany.

hanokana ny maro ho ringanina

"mba hanimba olona maro"

ny lain'ny fonenan'ny mpanjakany

Ilazana ny lay mihajan'ny mpanjaka izany izay nonenany tamin'izy niaraka tamin'ny tafika tamin'ny fotoan'ny ady.

anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitry ny fahatsaran'ny fahamasinana

Ilazana ny faritra anelanelan'ny Ranomasina Mediteranea sy ny Tendrombohitry ny Tempoly any Jerosalema angamba izany.

ny tendrombohitry ny fahatsaran'ny fahamasinana

Ilazana ny tendrombohitra any Jerosalema izay nisy ny tempolin'Andriamanitra izany. Jereo hoe ahoana no nandikanao ny zavatra tahaka izany ao amin'ny 9:15 sy 9:20.