plt_tn/dan/09/07.md

970 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mitohy mivavaka amin'ny Tompo momba ny vahoaka Israely i Daniela.

Anao, ry Tompo, ny fahamarinana

Ny maha-marina dia lazaina ho toy ny hoe "fahamarinana" izay zavatra an'i Yaveh. Ny anarana hoe "fahamarinana" dia azo lazaina ho fihetsika. DH: "Tompo, miasa amim-pahamarinana ianao" (UDB)

Kanefa, ho anay anio, ny henatra eo amin'ny tavanay—ho an'ny vahoaka

Ny maha-menatra dia lazaina ho toy ny hoe zavatra ny "henatra" izay an'olona. Ny anarana hoe "henatra" dia azo lazaina ho matoanteny. DH: "Fa ho anay kosa, menatra noho ny zavtra nataonay izahay-vahoaka"

ho anay anio

Ny teny hoe "anay" dia ahitana an'i Daniela sy ireo Israelita, fa tsy tafiditra ao Andriamanitra.

ny henatra eo amin'ny tavanay

Io fomba fiteny io dia midika fa hitan'ny rehetra ny henatr'izy ireo.

noho ny fitaka lehibe izay nataonay hanohitra Anao

"satria namadika anao tokoa izahay" na "satria tena tsy toka-po taminao izahay" (UDB)