# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mitohy mivavaka amin'ny Tompo momba ny vahoaka Israely i Daniela. # Anao, ry Tompo, ny fahamarinana Ny maha-marina dia lazaina ho toy ny hoe "fahamarinana" izay zavatra an'i Yaveh. Ny anarana hoe "fahamarinana" dia azo lazaina ho fihetsika. DH: "Tompo, miasa amim-pahamarinana ianao" (UDB) # Kanefa, ho anay anio, ny henatra eo amin'ny tavanay—ho an'ny vahoaka Ny maha-menatra dia lazaina ho toy ny hoe zavatra ny "henatra" izay an'olona. Ny anarana hoe "henatra" dia azo lazaina ho matoanteny. DH: "Fa ho anay kosa, menatra noho ny zavtra nataonay izahay-vahoaka" # ho anay anio Ny teny hoe "anay" dia ahitana an'i Daniela sy ireo Israelita, fa tsy tafiditra ao Andriamanitra. # ny henatra eo amin'ny tavanay Io fomba fiteny io dia midika fa hitan'ny rehetra ny henatr'izy ireo. # noho ny fitaka lehibe izay nataonay hanohitra Anao "satria namadika anao tokoa izahay" na "satria tena tsy toka-po taminao izahay" (UDB)