plt_tn/dan/07/23.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Maro amin'ireo lahatsoratra ao amin'ny andininy 23-27 no fiteny fanehoana. Noho izany antony izany, ny ULB dia mampiseho azy ireo aminn'y fomba kanto.

Izao no nolazain'ilay olona

Io ilay olona nolazain'i Daniela ao amin'ny 7:15.

nolazain'ilay olona

"novalian'ilay olona"

Raha ny amin'ilay biby fahefatra... Raha ny amin'ireo tandroka folo

"Momba ilay biby fahefatra... momba ireo tandroka folo" na "Ary, ny momba ny biby fahefatra... Ary, ny momba ireo tandroka efatra"

Handrapaka izany... ho potipotiny

Tsy midika akory izany fa ilay fanjakana fahefatra no handrava ny planeta, fa hanafika amin-kerisetra izany, hamabo, ary handrava ny fanjakana hafa rehetra amin'ny tany.

avy amin'io fanjakana io, mpanjaka folo no hisandratra

Hifandimby hanjaka izy ireo. DH: "mpanjaka folo no hitondra eo amin'ireo fanjakana efatra ireo, ny iray aorian'ny hafa."

iray hafa no hisandratra aorian'izy ireo

Io mpanjaka hafa io dia tsy an'isan'ireo folo. Mety hanampy kokoa ny filazana azy ho "mpanjaka faha iraika ambin'ny folo" DH: "aorian'izany dia hisy mpanjaka faha iraika ambin'ny folo hahery tokoa"

Ho hafa amin'ireo teo aloha izany

"Hiavaka noho ireo mpanjaka folo hafa izy."

handresy ireo mpanjaka telo izy

Handresy telo amin'ireo mpanjaka folo voalohany izy. Mety hanampy kokoa ny filazana fa ireo mpanjaka telo ireo dia nasehon'ireo tandroka telo izay nipoitra. DH: "naharesy ireo mpanjaka telo izay nasehon'ny tandroka telo izay nipoitra izy" (UDB)