plt_tn/dan/04/26.md

702 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara.

manjaka ny lanitra

Eto ny hoe "lanitra" dia ilazana an'Andriamanitra izay monina any an-danitra. DH: "Andriamanitra any an-danitra no mpanapaka ny rehetra"

aoka ny torohevitro ho azo ekena aminao

DH: "mba ekeo ny torohevitro tompoko"

Mivilia amin'ireo helokao

Eto ny mandà heloka dia lazaina toy ny mivily miala amin'iny. DH: "Mandàva ireo helokao"

amin'ireo nampahoriana

Io anarana mpamari-toetra io dia ilazana ny olona izay nampahoriana. DH: "ny olona izay nampahoriana"

izany dia mba ho afaka hihitatra ny fahombiazanao

DH: "Mba hanitatra ny fahombiazanao anie Andriamanitra."