plt_tn/dan/04/01.md

1.7 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Amin'ity toko ity, i Nebokadnezara dia miteny izay nataon'Andriamanitra taminy. Ao amin'ny andininy 1-18, i Nebokadnezara dia mamaritra ny fahitany avy amin'Andriamanitra. Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara. Ireo andininy 34-37 dia mamaritra ny valin-teniny amin'Andriamanitra.

Nandefa i Nebokadnezara mpanjaka

Io andian-teny io dia milaza ny mpandefa hafatry ny mpanjaka ho mpanjaka tenany. DH: "nandefa ireo mpitondra hafany i Nebokadnezara"

izay vahoaka, firenena, na fiteny izay milaza

Eto ny hoe "firenena" sy "fiteny" dia maneho olona avy any amin'ny firenen-tsamihafa izay miteny amin'ny fiteny samihafa. Jereo hoe ahoana no nandikanao ny andian-teny mitovitovy ao amin'ny 3:3. DH: "izay olona avy any amin'ny firenena, na izay miteny amin'ny fiteny fiteniny"

nonina tety ambonin'ny tany

Ireo mpanjaka dia matetika manisy fanitarana amin'ny fahalalahan'ny fanjakan'izy ireo. Nanapaka teo amin'ny ankabeazan'ny tany fantatra tamin'ny fotoana nanoratana ity boky ity i Nebokadnezara. DH: "izay nonina teo amin'ny fanjakan'ny Babylona"

Hampitomboina aminareo anie ny fiadanana

Fiarahabana iraisana izany

ireo famantarana sy zava-mahagaga

Ireo teny ireo dia manome dika mitovy ary ilazana ny zava-mahagaga izay nataon'Andriamanitra.

Lehibe loatra ireo famantarany, ary mahery loatra ireo zava-mahagagany

Na ireo andian-teny ireo aza dia manana dika mitovy ary nampiasaina mba hampisongadina ny fahalehibeazana sy fahagagan'ny famantaran'Andriamanitra.

ny fanjakany... taranaka fara mandimby

Na ireo andian-teny ireo aza dia manana dika mitovy ary naverina mba hampisongadinana ny fanjakan'Andriamanitra mandrakizay.