# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Amin'ity toko ity, i Nebokadnezara dia miteny izay nataon'Andriamanitra taminy. Ao amin'ny andininy 1-18, i Nebokadnezara dia mamaritra ny fahitany avy amin'Andriamanitra. Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara. Ireo andininy 34-37 dia mamaritra ny valin-teniny amin'Andriamanitra. # Nandefa i Nebokadnezara mpanjaka Io andian-teny io dia milaza ny mpandefa hafatry ny mpanjaka ho mpanjaka tenany. DH: "nandefa ireo mpitondra hafany i Nebokadnezara" # izay vahoaka, firenena, na fiteny izay milaza Eto ny hoe "firenena" sy "fiteny" dia maneho olona avy any amin'ny firenen-tsamihafa izay miteny amin'ny fiteny samihafa. Jereo hoe ahoana no nandikanao ny andian-teny mitovitovy ao amin'ny 3:3. DH: "izay olona avy any amin'ny firenena, na izay miteny amin'ny fiteny fiteniny" # nonina tety ambonin'ny tany Ireo mpanjaka dia matetika manisy fanitarana amin'ny fahalalahan'ny fanjakan'izy ireo. Nanapaka teo amin'ny ankabeazan'ny tany fantatra tamin'ny fotoana nanoratana ity boky ity i Nebokadnezara. DH: "izay nonina teo amin'ny fanjakan'ny Babylona" # Hampitomboina aminareo anie ny fiadanana Fiarahabana iraisana izany # ireo famantarana sy zava-mahagaga Ireo teny ireo dia manome dika mitovy ary ilazana ny zava-mahagaga izay nataon'Andriamanitra. # Lehibe loatra ireo famantarany, ary mahery loatra ireo zava-mahagagany Na ireo andian-teny ireo aza dia manana dika mitovy ary nampiasaina mba hampisongadina ny fahalehibeazana sy fahagagan'ny famantaran'Andriamanitra. # ny fanjakany... taranaka fara mandimby Na ireo andian-teny ireo aza dia manana dika mitovy ary naverina mba hampisongadinana ny fanjakan'Andriamanitra mandrakizay.