plt_tn/col/04/07.md

36 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Paoly dia mamarana amin'ny torolalana manokana momba ny olona sasany sy fanaovam-beloma ho an'ny sy avy amin'ny mpino tsirairay.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Onesimosy dia andevon'i Filemona tany Kolosia. Nangalatra vola tamin'i Filemona izy ary nitsoaka tao Roma tao amin'izay nahalasa azy ho Kristiana tamin'ny alalan'ny asa fanompoan'i Paoly. Ankehitriny dia i Tykiko sy Onesimosy no mitondra ireo hafatr'i Paoly ho any Kolosia.
# ireo zavatra momba ahy
"ny zava-drehetra izay niseho tamiko"
# mpiara-manompo
Satria olon'afaka i Paoly, dia nahita ny tenany tahaka ny mpanompon'i Kristy izy ary nahita an'i Tykiko tahaka ny mpiara-manompo.
# momba anay
Tsy tafiditra ao anatin'izany ireo Kolosiana.
# ahafahany mampahery ny fonareo
Ny fo dia heverina ho foiben'ny fihetsem-po maro. DH: "mba hankahery anareo"
# mahatoky sady malala
Paoly dia miantso an'i Onesimosy ho namana Kristiana ary mpanompon'i Kristy.
# Izy ireo no hilaza
"Tykiko sy Onesimosy hilaza"
# ny zava-drehetra izay efa nitranga taty
Izy ireo dia hilaza ireo amin'ireo mpino Kolosiana izay rehetra niseho amin'ny fotoana tsy maha-eo an'i Paoly. Ny tantara dia milaza fa Paoly dia tao Roma tany an-tranomaizina tamin'izany fotoana izany.