# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Paoly dia mamarana amin'ny torolalana manokana momba ny olona sasany sy fanaovam-beloma ho an'ny sy avy amin'ny mpino tsirairay. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Onesimosy dia andevon'i Filemona tany Kolosia. Nangalatra vola tamin'i Filemona izy ary nitsoaka tao Roma tao amin'izay nahalasa azy ho Kristiana tamin'ny alalan'ny asa fanompoan'i Paoly. Ankehitriny dia i Tykiko sy Onesimosy no mitondra ireo hafatr'i Paoly ho any Kolosia. # ireo zavatra momba ahy "ny zava-drehetra izay niseho tamiko" # mpiara-manompo Satria olon'afaka i Paoly, dia nahita ny tenany tahaka ny mpanompon'i Kristy izy ary nahita an'i Tykiko tahaka ny mpiara-manompo. # momba anay Tsy tafiditra ao anatin'izany ireo Kolosiana. # ahafahany mampahery ny fonareo Ny fo dia heverina ho foiben'ny fihetsem-po maro. DH: "mba hankahery anareo" # mahatoky sady malala Paoly dia miantso an'i Onesimosy ho namana Kristiana ary mpanompon'i Kristy. # Izy ireo no hilaza "Tykiko sy Onesimosy hilaza" # ny zava-drehetra izay efa nitranga taty Izy ireo dia hilaza ireo amin'ireo mpino Kolosiana izay rehetra niseho amin'ny fotoana tsy maha-eo an'i Paoly. Ny tantara dia milaza fa Paoly dia tao Roma tany an-tranomaizina tamin'izany fotoana izany.