plt_tn/col/01/09.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Satria ny Fanahy dia namela azy ireo hitia ny hafa, Paoly dia mivavaka ho azy ireo ary miteny azy ireo eto ny fomba fivavahany ho azy ireo.
# Noho io fitiavana io
"Satria ny Fanahy Masina dia namela anareo hitia ireo mpino hafa"
# nahenonay ... tsy nitsahatra izahay ... Nangataka izahay ... Nivavaka izahay
Ireo Kolosiana dia tsy anisan'ireo.
# hatramin'ny andro nahenonay izany
"hatramin'ny andro nitenenan'i Epafra anay ireo zavatra ireo"
# mba ho feno fahalalana ny sitrapony ianareo
Paoly dia miresaka ireo mpino Kolosiana toy ny hoe daba izy ireo. DH: "fa Andriamanitra dia hameno anareo amin'izay ilainareo ho fantatra mba hahafahanareo manao ny sitrapony"
# amin'ny fahendrena rehetra sy fahalalana ara-panahy
", ka mba hampahendry anareo ny Fanahy Masina ary hahalala izay tian'Andriamanitra ho ataonareo ianareo"
# mba handehanareo am-pahamendrehana ao amin'ny Tompo
Ny fandehanana eto dia midika ho toetra eo amin'ny fiainana. DH: "mba hiaina ny fomba tian'Andriamanitra hiainanareo ianareo"
# amin'ireo fomba ankasitrahana
"amin'ireo fomba izay ankasitrahan'ny Tompo"
# mba hamokatra
Paoly dia miresaka ireo mpino Kolosiana toy ny hoe hazo na zava-maniry. Tahaka ny hazo mitombo sy manome voa, dia toy izany koa ireo mpino mahalala tsara an'Andriamanitra ary manao ireo asa tsara.