# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Satria ny Fanahy dia namela azy ireo hitia ny hafa, Paoly dia mivavaka ho azy ireo ary miteny azy ireo eto ny fomba fivavahany ho azy ireo. # Noho io fitiavana io "Satria ny Fanahy Masina dia namela anareo hitia ireo mpino hafa" # nahenonay ... tsy nitsahatra izahay ... Nangataka izahay ... Nivavaka izahay Ireo Kolosiana dia tsy anisan'ireo. # hatramin'ny andro nahenonay izany "hatramin'ny andro nitenenan'i Epafra anay ireo zavatra ireo" # mba ho feno fahalalana ny sitrapony ianareo Paoly dia miresaka ireo mpino Kolosiana toy ny hoe daba izy ireo. DH: "fa Andriamanitra dia hameno anareo amin'izay ilainareo ho fantatra mba hahafahanareo manao ny sitrapony" # amin'ny fahendrena rehetra sy fahalalana ara-panahy ", ka mba hampahendry anareo ny Fanahy Masina ary hahalala izay tian'Andriamanitra ho ataonareo ianareo" # mba handehanareo am-pahamendrehana ao amin'ny Tompo Ny fandehanana eto dia midika ho toetra eo amin'ny fiainana. DH: "mba hiaina ny fomba tian'Andriamanitra hiainanareo ianareo" # amin'ireo fomba ankasitrahana "amin'ireo fomba izay ankasitrahan'ny Tompo" # mba hamokatra Paoly dia miresaka ireo mpino Kolosiana toy ny hoe hazo na zava-maniry. Tahaka ny hazo mitombo sy manome voa, dia toy izany koa ireo mpino mahalala tsara an'Andriamanitra ary manao ireo asa tsara.