plt_tn/act/26/06.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny teny "ianareo" eto dia manondro ireo olona izay nihaino an'i Paoly.

mitady ny fampanantenana izay nataon'Andriamanitra tamin'ireo razantsika aho

Izany dia miresaka momba ny fampanantenana toy ny hoe zavatra iray azo tadiavana sy jerena. DH: "Miandry fatratra an'Andriamanitra aho mba hanao izay nampanantenainy ny razambentsika fa ho ataony"

Fa ity no fampanantenana nantenain'ny fokontsika roambinifolo ho raisina

Ny fehezanteny hoe "ny foko roa ambin'ny folontsika" dia ny olona ao amin'ireo foko ireo. DH: "Izany koa no nandrasan'ireo Jiosy mpiray foko amintsika tany amin'ny foko roa ambin'ny folo"

nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina tokoa izy ireo

Tsy nitsahatra nanompo an'ANdriamanitra na andro na alina.

Nahoana ianareo no mihevitra fa tsy azo inoana fa manangana ny maty Andriamanitra?

Nametraka io fanontaniana io i Paoly mba hanoherana ireo Jiosy nanatrika teo. Mino izy ireo fa afaka manangana ny maty Andriamanitra saingy tsy nihevitra ny hamelona an'i Jesosy ho velona indray . DH: "ianareo dia tsy tokony hieritreritra fa mahavariana ny fananganan'Andriamanitra ny maty indray."