plt_tn/act/20/22.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Eto ny teny "Izaho" dia manondro an'i Paoly.

ho any Jerosalema aho, noteren'ny Fanahy Masina ka tsy mahalala izay hahazo ahy any

Izany dia miresaka momba ny Fanahy Masina izay nanery an'i Paoly ho any Jerosalema toy ny hoe nifatotra tamin'ilayy Fanahy Masina tahaka ny andevo izy. DH: "ny Fanahy Masina dia manery ahy hankany Jerosalema, ary tsy fantatro izay hitranga amiko"

hampitandreman'ny Fanahy Masina ahy

"ny Fanahy Masina dia mampita izany fampitandremana izany tamiko"

famatorana sy fijaliana izay miandry ahy

Eto ny "famatorana" dia milaza fa nosamborina i Paoly ary nogadraina. DH: "Nogadrain'ny olona aho ary nijaly"

hahavita ny hazakazako sy ny asa fanompoko izay noraisiko avy amin'Jesosy Tompo aho

Izany dia miresaka momba ny "hazakazaka" sy ny "asa fanompoana" nataon'i Paul toy ny hoe zavatra entin'i Jesosy sy i Paoly. Eto ny "hazakazaka" sy ny "ministera" dia midika zavatra mitovy. Naverin'i Paoly izany ho fanamafisana. DH: "mba hahafahako hamita ny asa izay efa nandidian'i Jesosy ahy"

hahavita ny hazakazako

Niresaka momba ny fanatanterahana ny asa izay nandidian'i Jesosy azy i Paoly ho toy ny hazakazaka.

hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan' Andriamanitra.

"hitory vaovao tsara amin''ny olona momba ny fahasoavan'Andriamanitra." Izany no fanompoana nomen'i Paoly an'i Jesosy.