plt_tn/act/19/08.md

1.5 KiB

Niditra tao amin'ny sinagoga i Paoly ary niteny am-pahasahiana nandritry ny telo volana

"Nanatrika tsy tapaka ny fivorian'ny synagoga nandritra ny telo volana i Paoly ary niresaka tamim-pahasahiana"

momba ny fanjakan'Andriamanitra

Eto ny "fanjakana" dia manondro ny didin'Andriamanitra amin'ny maha mpanjaka Azy. DH: "momba ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny maha mpanjaka Azy" na "momba ny fomba hanehoan'Andriamanitra ny tenany amin'ny maha mpanjaka Azy"

mafy fo sy tsy nankàto ireo Jiosy sasany

DHT: "ireo Jiosy sasany dia mafy fo ary tsy nino" na "ireo Jiosy sasany dia nandà tsy handray sy hankatò ny hafatra"

niteny ratsy ny Lalana teo anoloan'ny vahoaka izy ireo

Izay tian'i Kristy hinoan'ny olona dia toy ny lalana iray izay andehanan'ny olona iray. Ny teny "ny lalana," no fiantsoana ny Kristianisma tamin'izany fotoana izany. DH: "hiteny ratsy ny kristianisma amin'ny vahoaka" na "hiteny ratsy amin'ny vahoaka momba an'i Kristy sy ireo zavatra nampianariny momba an'Andriamanitra"

tao amin'ny efitrano fampianaran'ny Tiraniana

"tao amin'ny efitra lehibe izay nampianarin'i Tiraniana ny olona"

Tiraniana

Izany no anaran'ilay lehilahy

izay rehetra nipetraka tao Asia dia nandre

Ireo azo handikana azy 1) Nitory ny filazantsara tamin'ny olona maro tany Azia manontolo i Paoly na 2) Ny hafatr'i Paoly dia tonga nanerana an'i Azia manontolo, avy tany Efesosy tamin'ny alalain'ireo Efesianina torak'izany koa ireo olona nitsidika an'i Efesosy ary avy tany Azia manontolo.

ny tenin'ny Tompo

DHY: "ny hafatra mahakasika ny Tompo"