plt_tn/act/16/37.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

ny teny "izahay" dia manondro an'i Paoly sy Silasy ihany.

niteny tamin' izy ireo

DH: "niteny tamin'ilay mpiambina"

Nikapoka anay ampahibemaso tsy nisy fitsarana izy ireo

Eto "izy ireo" dia manondro ireo mpitsara izay nandidy ny miaramilany hikapoka azy ireo. DH: "Nandidy ny miaramilany ny mpitsara mba hikapoka anay am-pahibemaso"

tian'izy ireo ho alefa an-tsokotsoko ve izahay

Nametraka io fanontaniana io i Paoly mba hanamafisana fa izy dia tsy hanaiky ny fandefasana azy ireo an-tsokosoko hiala ny tanàna taorian'ny nampijaliana azy sy Silasy. DH: "Izaho dia tsy hamela azy ireo handrokantsika an-tsokosoko hiala ny tanàna!"

Aoka ny tenan'izy ireo no ho tonga

Eto ny "tenany" dia nampiasaina ho fanamafisana.

raha vao nandre izy ireo fa romanina i Paoly sy Silasy, dia natahotra

Ny hoe Romana dia midika fa olom-pirenena ara-dalàna ao amin'ny Fanjakana. Ny zom-pirenena dia nanome fahafahana amin'ny fampijaliana sy ny zo ho amin'ny fitsarana marina. Natahotra ireo mpitarika tao an-tanàna fa ny manam-pahefana romana lehibe dia mety hahafantatra hoe nanao ahoana ny fampijalian'ny mpitondra tao an'i Paul sy Silasy.