plt_tn/act/15/27.md

32 lines
991 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Izany dia miresaka ilay soratra avy any amin'ny fiangonan'i Jerosalema ho any amin'ireo Mpino Jentilisa tao Antiokia.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Eto ny teny hoe "izahay" sy "isika" dia manondro ireo mpitarika sy mpino tao amin'ny fiangonana tany Jerosalema.
# izay hilaza aminareo io zavatra io
"izay milaza ny tenany manokana ny zavatra izay nosoratantsika"
# ny tsy hampitondra anareo entana lehibe noho ireo zavatra tena ilaina
Izany dia miresaka momba ny lalàna izay tokony hankatoavin'ny olona toy ny hoe zavatra entin'izy ireo eo amin'ny sorony.
# ireo zavatra nataonareo ho fanatitra amin'ireo sampy
Midika izany fa tsy mahazo mihinana henam-biby izay nisy nanao sorona ho an'ny sampy.
# rà
Izany dia manambara ny fisotroana rà na fihinanana hena izay tsy nalatsa-drà.
# zavatra nokendaina
ny atao hoe biby nokendaina dia biby novonoina ho faty fa tsy nalatsa-drà
# Veloma
Izany dia manambara ny faran'ilay taratasy.