plt_tn/act/14/11.md

1.6 KiB

izay nataon'i Paoly

Izany dia manondro ilay fanasitranana nataon'i Paoly tamin'ilay lehilahy nalemy.

'Nidina avy any an-danitra ho amintsika ireo andriamanitra

Olona maro no nino fa i Paoly sy i Barnabasy no andriamanitry ny fanompoan-tsampin' izy ireo izay nidina avy any an-danitra. DH: "Nidina avy any an-danitra ho antsika ireo andriamanitra"

tamin'ny fitenin'ny Lykonia

"tamin'ny fiteny Lykaonianina". Ny olona tao Lystra dia niteny Lykaonianina ary ihany koa Grika.

amin'ny endrik'olona

Nino ireo olona ireo fa ireo Andriamanitra dia tokony haka ny endrik'izy ireo mba hitovian'izy ireo toy ny olona.

Niantso an' i Barabasy izy ireo hoe ''Jopitera'

I Jopitera no mpanjaka tamin'ireo andriamanitry ny mpanompo sampy hafa rehetra.

Paoly ''Merkory'', satria izy no mpandaha-teny

I Merkory no andriamanitry ny mpanompo sampy nitondra hafatra ho an'ny olona avy any amin'ny Jopitera sy ireo andriamanitra hafa.

Ny mpisoron'i Jopitera , izay ny tempoly dia teo ivelan'ny tanàna, dia nitondra

DH: "Nisy tempoly iray teo ivelan'ny tanàna izay nivavahan'ny olona an'Jopitera. Rehefa nahare ny zavatra nataon'i Paoly sy i Barnabasy tao amin'ny tempoly ilay mpisorona dia nitondra"

omby sy fehiloha vy

Ireo omby dia hatao sorona. ireo fefiloha kosa dia ho atao satroka eo an-dohan'i Paoly sy i Barnabasy, na hapetraka amin'ireo omby ho atao sorona.

teo am-bavahady

Ny vavahadin'ireo tanàna matetika natao dia ho toerana fivoriana ho an'ny mponina ao an-tanàna.

nikasa hanome sorona

"Te hanolotra fanatitra ho an'i Paoly sy i Barnabasy amin'ny maha andriamanitra Jaopetera sy Merkory azy ireo"