plt_tn/act/10/01.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ity no fiandohan'ny ampahany amin'ilay tantara momba an'i Kornelio.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ireo andininy ireo dia manome fampahalalana fototra momba an'i Kornelio.
# Ary nisy lehilahy iray
Ity dia fomba iray hampidirana olona vaovao ho amin'ity ampahan'ny tantara ity.
# Kornelio, kapitenin'ireo antoko Miaramila Italiana
"Kornelio no anarany. Izy dia miaramila manamboninahitra nisahana miaramila100 avy amin'ny faritra Italiana avy amin'ny tafika romanina"
# Lehilahy mpivavaka izy, ilay iray izay midera an'Andriamanitra
"Nino an'Andriamanitra izy ary nikatsaka ny nanome voninahitra sy nidera an'Andriamanitra eo amin'ny fiainany"
# nidera an'Andriamanitra
Ny teny hoe "nidera" eto dia midika ho fanana fanajana lalina sy tahotra.
# miaraka amin'ny ankohonany rehetra
Eto ny "ankohonany" dia manondro ireo olona rehetra ao an-tranony. Ireo mpikambana hafa tao amin'ny ankohonany dia mety ho Jentilisa ihany koa. DH: "miaraka amin'ny mpikambana rehetra ao amin'ny ankohonany"
# nivavaka mandrakariva tamin'Andriamanitra
"Nivavaka tsy tapaka tamin'Andriamanitra izy"