plt_tn/act/10/01.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ity no fiandohan'ny ampahany amin'ilay tantara momba an'i Kornelio.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ireo andininy ireo dia manome fampahalalana fototra momba an'i Kornelio.

Ary nisy lehilahy iray

Ity dia fomba iray hampidirana olona vaovao ho amin'ity ampahan'ny tantara ity.

Kornelio, kapitenin'ireo antoko Miaramila Italiana

"Kornelio no anarany. Izy dia miaramila manamboninahitra nisahana miaramila100 avy amin'ny faritra Italiana avy amin'ny tafika romanina"

Lehilahy mpivavaka izy, ilay iray izay midera an'Andriamanitra

"Nino an'Andriamanitra izy ary nikatsaka ny nanome voninahitra sy nidera an'Andriamanitra eo amin'ny fiainany"

nidera an'Andriamanitra

Ny teny hoe "nidera" eto dia midika ho fanana fanajana lalina sy tahotra.

miaraka amin'ny ankohonany rehetra

Eto ny "ankohonany" dia manondro ireo olona rehetra ao an-tranony. Ireo mpikambana hafa tao amin'ny ankohonany dia mety ho Jentilisa ihany koa. DH: "miaraka amin'ny mpikambana rehetra ao amin'ny ankohonany"

nivavaka mandrakariva tamin'Andriamanitra

"Nivavaka tsy tapaka tamin'Andriamanitra izy"