plt_tn/act/01/15.md

880 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Izany dia nitranga nandritran'ny fotoana nijanonan'i Petera sy ireo mpino hafa tao amin'ny efitra ambony rihana.

Tamin'izany andro izany

Ireo teny ireo dia nanamarika ny fiatombohan'ny fizarana vaovaon'ny tantara. Ireo dia manondro ny fotoana taorian'ny niankaran'i Jesosy, nandritran'ny fihaonan'ireo mpianatra tao amin'ny efitra ambony rihana. DH: "Nandritra izany fofoana izany"

teo afovoan' ireo rahalahiny

Eto ny teny hoe "ireo rahalahy" dia manambara ireo namana mpino ary ao anatin'izany lahy sy vavy.

tena nilaina ny fahatanterahin'ny Soratra Masina

Azo avadika tso-drafitra ihany koa io. DH: "Ireo zavatra izay novakiantsika momban'ny ao anaty Soratra Masina dia tokony hitranga"

amin' ny vavan'i Davida

Ny teny hoe "vava" eto dia manambara ireo teny izay nosoratan'i Davida. DH: "Tamin'ny alalan'ireo tenin'i Davida"