plt_tn/act/01/01.md

1.1 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Manazava ny antony nanoratany an'i Teofilo i Lioka

Ny boky nosoratako teo aloha

Ilay boky taloha dia ny Filazantsaran'i Lioka

Teofilo

I Lioka dia nanoratra io boky io hoan'ilay lehilahy nantsoina hoe Teofilo. Misy amin'ireo fandikan-teny no manaraka ny fomban'ny kolontsain'izy ireo amin'ny fandefasana taratasy ary manoratra hoe "Ry Teofilo" any amin'ny fiantombohan'ny fehezanteny. Ny Teofilo dia midika hoe: "naman'Andriamanitra" (Jereo: fandikan-tenin'ireo anarana)

hatramin' ny andro nampiakarana Azy

Io dia manambara ny fiakaran'i Jesosy tany an-danitra. DH: "mandrapaha-tonga ny andro nampiakaranAndriamanitra Azy tany an-danitra" na "mandrapaha-tonga ilay andro izay hiakarany any an-danitra"

Nandidy ireo Apostoly tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina no nitarika an'Jesosy hampianatra ireo zavatra sasany tamin'ireo Apostoly

Taorian'ny fijaliana

Io dia manambara ny fijalian'i Jesosy sy ny nahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana

nampiseho ny tenany velona tamin'izy ireo Izy

Niseho tamin'ireo Apostoliny sy tamin'ireo mpianany hafa i Jesosy