plt_tn/2th/02/05.md

20 lines
777 B
Markdown

# Tsy tadidinareo ve ... ireo zavatra ireo?
Paoly dia nampiasa fanontaniana mba entina hampahatsiahivana azy ireo ny fampianarany fony izy niaraka tamin'izy ireo taloha. Izany dia afaka atao hoe fanambarana. DH: "Azoko antoka fa tadidinareo ... ireo zavatra ireo."
# Ireo zavatra ireo
Izany dia manondro ny fiverenan'i Jesosy, ny andron'ny Tompo, ary ny lehilahy mpandika lalàna.
# Hisehoany amin'ny fotoana mety irery ihany
DH: "Andriamanitra dia hampiseho ny lehilahy mpandika lalàna rehefa tonga ny fotoana mety."
# Zava-miafin'ny fandikan-dalàna
Izany dia manondro ny tsiambaratelo sarobidy izay Andriamanitra irery no mahalala.
# Misakana azy
Ny fisakanana olona iray dia ny fitazomana azy ireo hiverina na mitazona azy ireo amin'ny fanaovana izay tiany atao.