plt_tn/2th/02/01.md

808 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Paoly dia nananatra ireo mpino mba tsy ho voafitaka momba ny andro hiavian'i Jesosy.

Ankehitriny

Ny teny hoe: "ankehitriny" dia manamarika fiovan'ny lohahevitra ao amin'ny toromarik'i Paoly.

Rahalahy

Eto ny hoe: "rahalahy" dia midika hoe namana Kristiana, anisan'izany ny lehilahy sy vehivavy. DH: "Ireo rahalahy sy anabavy."

Mba tsy ho mora helingelenina na hihorohoro ianareo

"Mba tsy ho avelanareo hampihorohoro anareo mora foana ireny zavatra ireny."

Na amin'ny hafatra, na amin'ny taratasy izay toy ny hoe ho avy aminay

"Amin'ny alalan'ny teny avoaka na taratasy nosoratana izay toy ny hoe avy aminay."

Noho ny vokatry ny

"Nilaza izany."

Andron'ny Tompo

Izany dia manondro ny fotoana hiverenan'i Jesosy eto an-tany ho an'ny mpino rehetra.