plt_tn/2sa/22/05.md

16 lines
897 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
# Fa nanodidina ahy ireo aloky ny fahafatesana, nanafotra ahy ireo rano mikorian'ny fahapotehana
Mampitaha ny olona ratsy fanahy izay te hamono azy amin'ny rano mikoriana izay andeha hanafotra azy i Davida. Ireo fehezanteny ireo dia misy dikany iray ihany ary nampiasaina mba hanindriana.
# ireo rano mikorian'ny fahapotehana
Io dia sarin'ny tondra-drano mikoriana mafy izay mamotika ny zavatra rehetra amin'ny lalany.
# Nanodidina ahy ireo tadin'ny fiainan-tsy hita; namandrika ahy ireo fandriky ny fahafatesana
Miresaka momba ny fahafatesana sy ny Fiainan-tsy hita toy ny hoe olona izay miezaka mamandrika azy tahaka ny famandrihan'ny mpihaza biby i Davida. Ireo andianteny ireo dia manana hevitra iray ihany ary nampiasaina mba hanindriana.