plt_tn/2sa/22/05.md

897 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.

Fa nanodidina ahy ireo aloky ny fahafatesana, nanafotra ahy ireo rano mikorian'ny fahapotehana

Mampitaha ny olona ratsy fanahy izay te hamono azy amin'ny rano mikoriana izay andeha hanafotra azy i Davida. Ireo fehezanteny ireo dia misy dikany iray ihany ary nampiasaina mba hanindriana.

ireo rano mikorian'ny fahapotehana

Io dia sarin'ny tondra-drano mikoriana mafy izay mamotika ny zavatra rehetra amin'ny lalany.

Nanodidina ahy ireo tadin'ny fiainan-tsy hita; namandrika ahy ireo fandriky ny fahafatesana

Miresaka momba ny fahafatesana sy ny Fiainan-tsy hita toy ny hoe olona izay miezaka mamandrika azy tahaka ny famandrihan'ny mpihaza biby i Davida. Ireo andianteny ireo dia manana hevitra iray ihany ary nampiasaina mba hanindriana.