plt_tn/2sa/20/17.md

1.3 KiB

Henoy ny tenin'ny mpanomponao

Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ilay vehivavy. Io dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona manam-pahefana ambony.

ary izany hevitra izany no hampitsahatra ny olana

"ary izay torohevitra izany no hamaha ny olana"

tena milamina sy mahatoky indrindra eto Israely

Afaka ampiana ny teny tsy ao. DH: "tanàna milamina sy mahatoky indrindra eto Israely"

tanàna iray izay reniy eto Israely

Io dia miresaka ny hazava-dehiben'io tanàna io amin'ny firenen'ny Israely toy ny hoe reny izany tena hajaina izany. DH: "tanàna izay hajain'ny olona rehetra eto Israely tahaka ny hataon'izy ireo amin'ny reniny" na "tanàna izay tena manan-danja ka hajain'ny Israely"

Nahoana ianao no mitady hamongotra ny lovan'i Yaveh?

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io ilay vehivavy eto mba hanoroana hevitra an'i Joaba izay tsy tokony ataon'izy ireo. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy tokony mamotika ny tanàna izay lovan'i Yaveh ianao!"

hamongotra

Eto ilay vehivavy dia miresaka ny fandravan'ny tafika ny tanàna toy ny hoe sakafo izay hohanina ilay tanàna. DH: "mandrava"

ny lovan'i Yaveh

Eto ny tanàna dia tondroina hoe lovan'i Yaveh mba hanindriana fa an'i Yaveh izany. DH: "tanàna izay an'i Yaveh" (UDB)