plt_tn/2sa/19/26.md

1.1 KiB

Ziba

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 9:1 ihany io anaran-dehilahy io.

ny mpanjaka tompoko dia toy ny anjelin'Andriamanitra

Eto ny fahendren'i Davida dia ampitahaina amin'ny fahendren'ny anjely. DH: "ny tompoko mpanjaka dia hendry tahaka ny anjelin'Andriamanitra"

ataovy izay tsara eo imasonao

Io dia midika hoe manao izay heverinao fa mety. DH: "ataovy izay inoanao fa mety hatao"

ny taranaky ny raiko rehetra dia efa lehilahy maty eo anatrehan'ny mpanjaka tompoko

Ny fahamendrehan'ny hamonoana ireo havany dia resahin'i Mefiboseta toy ny hoe efa novonoina ary maty izy ireo. DH: "ny taranaky ny raiko rehetra dia mendrika ny ho didian'ny tompoko mpanjaka ho vonoina"

taranaky ny raiko

Io dia manondro ireo havan'i Mefiboseta. DH: "ireo havan-draiko"

Koa inona intsony noho izany no rariny ho ahy izay tokony mbola hitarainako amin'ny mpanjaka?

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Mefiboseta mba hanindriana fa tsy manan-drariny hangatahan-javatra amin'ny mpanjaka izy. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Noho izany, dia tsy manan-jo hangataka zavatra hafa ho ahy amin'ny mpanjaka aho."