plt_tn/2sa/19/26.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ziba
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 9:1 ihany io anaran-dehilahy io.
# ny mpanjaka tompoko dia toy ny anjelin'Andriamanitra
Eto ny fahendren'i Davida dia ampitahaina amin'ny fahendren'ny anjely. DH: "ny tompoko mpanjaka dia hendry tahaka ny anjelin'Andriamanitra"
# ataovy izay tsara eo imasonao
Io dia midika hoe manao izay heverinao fa mety. DH: "ataovy izay inoanao fa mety hatao"
# ny taranaky ny raiko rehetra dia efa lehilahy maty eo anatrehan'ny mpanjaka tompoko
Ny fahamendrehan'ny hamonoana ireo havany dia resahin'i Mefiboseta toy ny hoe efa novonoina ary maty izy ireo. DH: "ny taranaky ny raiko rehetra dia mendrika ny ho didian'ny tompoko mpanjaka ho vonoina"
# taranaky ny raiko
Io dia manondro ireo havan'i Mefiboseta. DH: "ireo havan-draiko"
# Koa inona intsony noho izany no rariny ho ahy izay tokony mbola hitarainako amin'ny mpanjaka?
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Mefiboseta mba hanindriana fa tsy manan-drariny hangatahan-javatra amin'ny mpanjaka izy. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Noho izany, dia tsy manan-jo hangataka zavatra hafa ho ahy amin'ny mpanjaka aho."