plt_tn/2sa/18/16.md

20 lines
1.0 KiB
Markdown

# Avy eo i Joaba nitsoka ny trompetra, ary niverina avy tamin'ny fanenjehana an'Israely ny tafika, satria i Joaba no nifehy ny tafika
Io dia manoritsoritra izay nandidian'i Joaba tamin'ny fitsofana ny trompetra. DH: "Dia nitsoka ny trompetra mba hiantso ny tafika hiverina i Joaba, ka niverina avy tamin'ny fanenjehana an'i Israely"
# niverina avy tamin'ny fanenjehana an'Israely
Eto ny hoe "Israely" dia manondro ny tafika Israelita. DH: "niverina avy tamin'ny fanenjehana ny tafika Israelita"
# Nalain'izy ireo i Absaloma ka natsipin'izy ireo
"Nalain'izy ireo ny fatin'i Absaloma ka nariany izany"
# nalevin'izy ireo tao ambany antontam-bato lehibe ny vatany
Taorian'ny nametrahan'izy ireo ny fatiny tanaty lavaka dia nosaronan'izy ireo tamin'ny antontam-bato izany. DH: "nosaronan'izy ireo tamin'ny antontam-bato lehibe izany" (UDB)
# raha toa ka nandositra ny Israely rehetra
Eto ny "Israely rehetra" dia manondro ireo miaramila Israelita. Ny teny hoe "nandositra" dia midika hoe mitsoaka. DH: "raha toa ka nitsoaka ny Israely rehetra"