plt_tn/2sa/18/16.md

1.0 KiB

Avy eo i Joaba nitsoka ny trompetra, ary niverina avy tamin'ny fanenjehana an'Israely ny tafika, satria i Joaba no nifehy ny tafika

Io dia manoritsoritra izay nandidian'i Joaba tamin'ny fitsofana ny trompetra. DH: "Dia nitsoka ny trompetra mba hiantso ny tafika hiverina i Joaba, ka niverina avy tamin'ny fanenjehana an'i Israely"

niverina avy tamin'ny fanenjehana an'Israely

Eto ny hoe "Israely" dia manondro ny tafika Israelita. DH: "niverina avy tamin'ny fanenjehana ny tafika Israelita"

Nalain'izy ireo i Absaloma ka natsipin'izy ireo

"Nalain'izy ireo ny fatin'i Absaloma ka nariany izany"

nalevin'izy ireo tao ambany antontam-bato lehibe ny vatany

Taorian'ny nametrahan'izy ireo ny fatiny tanaty lavaka dia nosaronan'izy ireo tamin'ny antontam-bato izany. DH: "nosaronan'izy ireo tamin'ny antontam-bato lehibe izany" (UDB)

raha toa ka nandositra ny Israely rehetra

Eto ny "Israely rehetra" dia manondro ireo miaramila Israelita. Ny teny hoe "nandositra" dia midika hoe mitsoaka. DH: "raha toa ka nitsoaka ny Israely rehetra"