plt_tn/2sa/16/09.md

1.2 KiB

Abisay

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany io anaran-dehilahy io.

Zeroia

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:12 ihany io anaran-dehilahy io.

Nahoana io alika maty io no manozona ny mpanjaka tompoko?

Mametraka io fanontaniana io i Abisay mba hanehoana ny hatezerany tamin'ilay lehilahy. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy tokony hiteny amin'ny mpanjaka tahaka izany io alika maty io".

io alika maty io

Eto ilay lehilahy dia soritsoritana ho tsy mendrika tamin'ny fampitahana azy amin'ny alika maty. DH: "io lehilahy tsy mendrika io"

Mpifaninona moa izaho sy ianao, ry zanaka lahin'i Zeroia?

Io fanontaniana fampisainana io dia napetraka mba hanitsiana an'ireo zanaka lahin'i Zeroia. Io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy te hahalala izay heverinao aho!"

Manozona ahy angamba izy satria

"Mety manozona ahy izy satria"

Iza izany no afaka hiteny aminy hoe: 'Nahoana ianao no manozona ny mpanjaka?

Io dia lazaina ho fanontaniana fampisainana mba hanindriana fa ny valiny dia tsy "tsy misy". Io fanontaniana fampisainana io dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Koa tsy misy afaka manontany azy hoe: "Nahoana ianao no manozona ny mpanjaka?"'