plt_tn/2sa/14/28.md

1009 B

ny tavan'ny mpanjaka

Eto ny hoe "tavan'ny mpanjaka" dia manondro ny mpanjaka mihitsy. DH: "ny mpanjaka"

i Absaloma dia nandefa teny ho an'i Joaba

Eto ny hoe "teny" dia sarinteny ho an'ny hoe "hafatra". Izany dia midika fa nandefa mpitondra hafatra niaraka tamin'ny fangatahana tany amin'i Joaba izy. DH: "Nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Joaba mba hangataka aminy i Absaloma"

mba handefa azy any amin'ny mpanjaka

Izany dia manazava fa tian'i Absaloma hankany aminy i Joaba mba hijery azy sy hifona ho azy mba ahafahany mijery ny mpanjaka. Ny tena dikan'izany dia afaka azavaina. DH: "mba hankany aminy ary hifona ho azy mba ahafahany mahita ny mpanjaka"

Dia nandefa teny fanindroany i Absaloma

Eto ny hoe "teny" dia sarinteny ho an'ny "hafatra".Izany dia midika fa nandefa mpitondra hafatra niaraka tamin'ny fangatahana tany amin'i Joaba izy. Ny tena dikan'izany dia afaka azavaina. DH: "Nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Joaba niaraka tamin'ilay fangatahana ihany indray i Absaloma"