plt_tn/2sa/14/12.md

1.5 KiB

ny mpanomponao

Mba hanehoana fanajana ny mpanjaka dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ilay vehivavy.

mba hilaza teny fanampiny

"miresaka zavatra hafa amin'ny". Mangataka ny hiresaka amin'ny mpanjaka resaka hafa ilay vehivavy.

Mitenena

Io dia fomba fiteny. Nanome alalana azy ny mpanjaka mba hanohy hiteny. DH: "Afaka miresaka amiko ianao"

Koa nahoana ary ianao no mihevitra zavatra tahaka izany amin'ny vahoakan'Andriamanitra?

Mametraka io fanontaniana fampisainana io ilay vehivavy mba hibedesana an'i Davida tamin'ny fomba nitondrany an'i Absaloma. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Izay vao nolazainao dia nanaporofo fa nanao ny tsy nety ianao".

toy ny olona izay meloka ny mpanjaka

Mampitaha ny mpanjaka amin'ny olona izay meloka ilay vehivavy mba hanoroana hevitra fa meloka tamin'ny tsy nilazany izany mivantana izy. DH: "nanambara ny tenany ho meloka ny mpanjaka"

ny zanany lahy voaroaka

"ny zanany lahy izay noroahiny"

Fa tsy maintsy ho faty isika rehetra, ary toy ny rano araraka amin'ny tany isika...intsony

Eto ilay vehivavy dia miresaka ny olona maty tahaka ny hoe rano izay araraka amin'ny tany izy ireo. DH: "Tsy maintsy ho faty isika rehetra, ary aorian'ny hahafatesantsika dia tsy afaka mamerina ny aintsika intsony isika"

Andriamanitra...mahita lalana ho an'ireo izay voaroaka Izy mba ho averina indray

Manazava ilay vehivavy fa tokony hamerina ny zanany lahy i Davida. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "Mamerina ny olona izay noroahiny Andriamanitra ary tokony hanao tahaka izany koa ianao"