forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
1.5 KiB
Markdown
32 lines
1.5 KiB
Markdown
|
# ny mpanomponao
|
||
|
|
||
|
Mba hanehoana fanajana ny mpanjaka dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ilay vehivavy.
|
||
|
|
||
|
# mba hilaza teny fanampiny
|
||
|
|
||
|
"miresaka zavatra hafa amin'ny". Mangataka ny hiresaka amin'ny mpanjaka resaka hafa ilay vehivavy.
|
||
|
|
||
|
# Mitenena
|
||
|
|
||
|
Io dia fomba fiteny. Nanome alalana azy ny mpanjaka mba hanohy hiteny. DH: "Afaka miresaka amiko ianao"
|
||
|
|
||
|
# Koa nahoana ary ianao no mihevitra zavatra tahaka izany amin'ny vahoakan'Andriamanitra?
|
||
|
|
||
|
Mametraka io fanontaniana fampisainana io ilay vehivavy mba hibedesana an'i Davida tamin'ny fomba nitondrany an'i Absaloma. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Izay vao nolazainao dia nanaporofo fa nanao ny tsy nety ianao".
|
||
|
|
||
|
# toy ny olona izay meloka ny mpanjaka
|
||
|
|
||
|
Mampitaha ny mpanjaka amin'ny olona izay meloka ilay vehivavy mba hanoroana hevitra fa meloka tamin'ny tsy nilazany izany mivantana izy. DH: "nanambara ny tenany ho meloka ny mpanjaka"
|
||
|
|
||
|
# ny zanany lahy voaroaka
|
||
|
|
||
|
"ny zanany lahy izay noroahiny"
|
||
|
|
||
|
# Fa tsy maintsy ho faty isika rehetra, ary toy ny rano araraka amin'ny tany isika...intsony
|
||
|
|
||
|
Eto ilay vehivavy dia miresaka ny olona maty tahaka ny hoe rano izay araraka amin'ny tany izy ireo. DH: "Tsy maintsy ho faty isika rehetra, ary aorian'ny hahafatesantsika dia tsy afaka mamerina ny aintsika intsony isika"
|
||
|
|
||
|
# Andriamanitra...mahita lalana ho an'ireo izay voaroaka Izy mba ho averina indray
|
||
|
|
||
|
Manazava ilay vehivavy fa tokony hamerina ny zanany lahy i Davida. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "Mamerina ny olona izay noroahiny Andriamanitra ary tokony hanao tahaka izany koa ianao"
|