forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
1.4 KiB
Markdown
32 lines
1.4 KiB
Markdown
# fianakaviambe manontolo
|
|
|
|
"ny fianakaviako manontolo"
|
|
|
|
# mpanomponao
|
|
|
|
Mba hanehoana fanajana ny mpanjaka dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ilay vehivavy.
|
|
|
|
# mba hamonoanay azy ho faty
|
|
|
|
Io dia fomba fiteny izay midika hoe mamono. DH: "mamono azy"
|
|
|
|
# ho vonoin'izy ireo koa ny mpandova
|
|
|
|
Raha vonoin'izy ireo ilay rahalahy meloka dia tsy hisy zanaka lahy tavela mba handova ny fananan'ny fianakaviana intsony. Ny tena dikan'io fanambarana io dia afaka azavaina. DH: "raha nanao izany izy ireo, dia hamotika ny lovan'ny fianakaviantsika"
|
|
|
|
# Dia toy izany koa no hanesoran'izy ireo ny vain'afo mirehitra izay navelako
|
|
|
|
Eto ilay vehivavy dia manondro ny zanany lahy hany sisa velona toy ny hoe vaingana harina mirehitra. Miresaka ireo lehilahy namono ny zanany tahaka ny mamono vain'afo mirehitra izy. DH: "Tahaka izany no hamonoan'izy ireo ny zanaka hany sisa tavela ho ahy"
|
|
|
|
# ary tsy hamela anarana na taranaka eto ambonin'ny tany ho an'ny vadiko izy ireo
|
|
|
|
DH: "tsy hamela ny anaram-badiny na ny taranany izy ireo"
|
|
|
|
# anarana na taranaka
|
|
|
|
Io dia manondro ny zanaka lahy izay mitondra ny anaram-pianakaviana ao amin'ny taranaka mandimby. DH: "tsy zanaka lahy hiaro ny anaram-pianakaviana intsony" (UDB)
|
|
|
|
# eto ambonin'ny tany
|
|
|
|
Io andianteny manoritsoritra io dia hanindriana fa ny rohim-pianakaviana dia tsy hitohy amin'ny tany intsony aorian'ny hafatesan'ny vadiny. "Ny ambonin'ny tany" dia manondro ny tany izay andehanan'ny olona.
|