plt_tn/2sa/14/07.md

1.4 KiB

fianakaviambe manontolo

"ny fianakaviako manontolo"

mpanomponao

Mba hanehoana fanajana ny mpanjaka dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ilay vehivavy.

mba hamonoanay azy ho faty

Io dia fomba fiteny izay midika hoe mamono. DH: "mamono azy"

ho vonoin'izy ireo koa ny mpandova

Raha vonoin'izy ireo ilay rahalahy meloka dia tsy hisy zanaka lahy tavela mba handova ny fananan'ny fianakaviana intsony. Ny tena dikan'io fanambarana io dia afaka azavaina. DH: "raha nanao izany izy ireo, dia hamotika ny lovan'ny fianakaviantsika"

Dia toy izany koa no hanesoran'izy ireo ny vain'afo mirehitra izay navelako

Eto ilay vehivavy dia manondro ny zanany lahy hany sisa velona toy ny hoe vaingana harina mirehitra. Miresaka ireo lehilahy namono ny zanany tahaka ny mamono vain'afo mirehitra izy. DH: "Tahaka izany no hamonoan'izy ireo ny zanaka hany sisa tavela ho ahy"

ary tsy hamela anarana na taranaka eto ambonin'ny tany ho an'ny vadiko izy ireo

DH: "tsy hamela ny anaram-badiny na ny taranany izy ireo"

anarana na taranaka

Io dia manondro ny zanaka lahy izay mitondra ny anaram-pianakaviana ao amin'ny taranaka mandimby. DH: "tsy zanaka lahy hiaro ny anaram-pianakaviana intsony" (UDB)

eto ambonin'ny tany

Io andianteny manoritsoritra io dia hanindriana fa ny rohim-pianakaviana dia tsy hitohy amin'ny tany intsony aorian'ny hafatesan'ny vadiny. "Ny ambonin'ny tany" dia manondro ny tany izay andehanan'ny olona.